Moustafa de retour ...

18-05-24 08:06:34
Moustafa de retour ...

Mpilalao sarimihetsika malagasy iray izay tsy zoviana amin-tsika Fabio LeScott na i Moustafa no alalan'ny be sy ny maro azy . Fiverenany ao anatin'ny tontolon'ny sarimihetsika malagasy no vaovao entiny . " Tsapako fa tian'ny malagasy ny horonantsary ka izany no hiverenako hilalao " hoy izy . Efa eo am-panatontosana izany izy amin'izao izay miaraka amin'ireo mpilalao matihanina maro .